Maurice : Nahazo tale vaovao ny Air Mauritius
Voatendry ho tale jeneralin’ny Air Mauritius sy ny ATR i Kresimir Kucko. Efa manana traikefa amin’io sehatra io ny tenany. Efa tompon’andraikitra tao amin’ny Croatie Airlines izy ny taona 2012 hatramin’ny taona 2017 ary efa nitantanana ny Gulf Air ihany koa hatramin’ny taona 2021.
Raha tsiahivina dia efa hatramin’ny volana martsa 2020 no tsy nanana mpitantana intsony ny Air Mauritius taorian’ny fialan’i Somas Apavou. Vaovao tsara hafa ho an’io orinasa io ihany koa fanofana ATR 72 maromaro izay hanamaro an’isa ny fiaramanidina Air Mauritius indrindra ireo miazo an’i Rodrigues sy La Réunion.
