France : Mpiasa 3 000 tsy vita vaksiny nampiatona
Nambara ny alarobia teo fa tsy maintsy manao vaksiny ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ao an-toerana. Mpiasan’ny fahasalamana 3 000 izany no nampiatoana hoy ny ministry ny fahasalamana Olivier Véran ny alakamisy teo noho ny tsy mbola nahavitany ny vaksiny fanefitra amin’ny covid-19.Misy 2,7 tapitrisa hoy izy ireo mpiasan’ny fahasalamana, avy amin’ny hopitaly, toerana mitaiza antitra, mpamonjy voina, mpikarakara manokana ka ilaina ny fahazoana antoka ny fitsaboana. Nanamafy izy fa fampiantoana fotsiny ihany ireo mpiasa 3 000 ireo ary misy ireo an-dàlam-panaovam-baksiny. Am-polony kosa nefa ireo tsy nanaiky ny hanao izany ka nametra-pialàna.
