SportTsidika

Kick boxing : Hametrahana tantara tsara

Tonga nitsidika sy niarahaba ny Minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena ny fianakaviam-ben’ny mpikatroka ny taranja « kick boxing ». Nanome tokony ny hamerina indray ny lazan’ity taranja iray ity izy ireo. « Ttsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny taranja kick boxing. Hametraka tantara tsara amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Ary hamerina indray ny lazan’ny Kick boxing, izay efa nahazoana ny tompondaka manerantany » hoy ny Filohan’ny federasiona, Jeneraly Lylison René de Rolland. « Vonona hanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena rehetra ny Ministera. Miandrandra vokatra tsara isika amin’ny lalaon’ny Nosy, izay ho tanterahina eto amintsika ny taona 2023 » hoy ny Minisitra Tinoka Roberto. Ny fanatanjahantena tokoa no lalana iray azo hampandrosoana ny tanora eto amintsika. Efa manomboka miseho amin’ny iraisam-pirenena isika amin’ity sehatra ity.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire