Ambanja: Amidy mora ny entana
17 Janoary, 10h30. Tapaka ny lalana ao Ambanja amin’izao fotoana izao. Vokany, voatery mivarotra mora ireo mpivarotra. Tsy araka ny tokony ho izy ny vidin’ny henan-kisoa, trondro sy ireo entana mora simba. Mahatsapa tena ho maty antoka ireo tompon’entana sy ireo mpitatitra any an-toerana noho io làlana tapaka io.
