Fiarovam-pirenena : Handray mpilatsaka an-tsitrapo miisa 400 ny tafika
Dépêche 05 mai, 13h, Handray zazavao miisa 400 hilatsaka antsitrapo hanompo ny Firenena ny tafika amin’ity taona 2023 ity. Haharitra roa taona ny fifanarahana amin’izy ireo, izay hanomboka ny 1 aogositra ho avy izao. Ny tanjona amin’izany moa dia ahafahana manamafy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Amin’ny maha filatsahana an-tsitrapo azy izay dia tsy handray karama izy ireo, fa iantohana kosa ny fampiantranoana sy ny sakafon’izy ireo mandritra ny fifanarahana. Ireo tanora lahy sy vavy mamaly ny filàn’ny tafika dia afaka raisina amin’io avokoa.
