Anjeva Gara : Velom-bolo ny tantsaha amin’ny fihavian’ny orana
Faly tokoa ny mpamboly tamin’ny fahatongavan’ny orana. Afaka manetsa tsara ary mbola tsy taraiky amin’iznay ireo tantsaha. « Tsy mbola tara amin’ny fanetsana akory ny tantsaha na dia somary ela raha mihoatra ny isan-taona aza ny fihavian’ny orana. Afaka miroso amin’ny ketsa amin’izay isika izao » hoy i Felix, Injeniera amin’ny fambolena sy fiompiana.
« Tena faly izahay noho ny fahatongavan’ny orana. Tsy miandriandry intsony intsony fa miroso amin’ny fanetsana avy hatrany. Ohatran’izao isan-taona efa vita ketsa » hoy i Harilanto, mponina ao Anjeva. « Mikoriana tsara koa ny lakan-drano vao nodiovina tsy ela akory izay. Saika nilatsaka an-tsaha avokoa ny tantsaha androany » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva, Raoeliarison Haja Yves.
Maina tokoa ny tanimbary teo aloha, ary natahorana ny fihenan’ny vokatra amin’ity taona ity. Hampiova ny tahan’ny famokaram-bary ve izao fahatarana kely amin’ny fanetsana izao ?
Nicole Rafalimananjara
