SocialTsidika

Mandritsara : Tsy hita ny ben’ny tanàna

Sazy an-terivozona mandrapahafaty no azon’ny ben’ny tanàna Mahazaka Roland noho ny vono feno habibiana nisy tany an-toerana. « Mafampana ny zava-misy ato amin’ny Distrikan’i Mandritsara indrindra tamin’ity volana desambra ity. Misy ben’ny tanàna 02 be izao manana raharaha eny amin’ny Fitsarana » hoy i Vonjy, mponina any Mandritsara.

« Ny olona 05 nidoboka am-ponja mikasika ity raharaha ity. Nandà ny fiampangana anefa ny ben’ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny fitsarana. « Tsy nihatrika ny fitsarana ny ben’ny tanàna. Nataon’ ireo vavolombelon’ ny mpitory fa niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona tany Anjiabe ny ben’ny tanàna. Resaka tsy fitovian-kevitra ara-politika no tena mahatonga izao zavatra izao raha ny hevitro » hoy i Gilbert, raim-pianakaviana monina ao Anjiabe.

Marihina fa efa notendrena ny ben’ny tanàna lefitra handimby ity ben’ny tanàna ity, hisahana ny asa ao amin’ny kaominina. Inona tokoa no tena zava-nisy marina ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire