Ambohimanambola: Hiverina ny fampianarana ny taranja Informatique ao amin’ny kaominina
Hiverina indray ny fampianarana sy fampiofanana amin’ny taranja informatique izay atolotry ny kaominina Ambohimanambola. Misy ny fisoratana anarana mila atao mialoha ho an’ireo izay liana amin’izany,a araka ny voalaza.
“Efa an-taonany maro no nanolotra fampianarana maimaim-poana ho an’ny mponina eto an-toerana sy ny manodidina ny kaominina. Ireo taranja fototra ao anatin’ny informatique no hianarana mandritra izany ary mpampianatra efa za-draharaha no manome ny fiofanana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny nanampy be ahy ny fanarahana ny fampianarana informatique tato amin’ny kaominina, satria nahaizana ireo base amin’ny informatique. Ny fampianarana ihany koa dia tsy sarotra fa mora raisina, manazava tsara ny mpampianatra” hoy i Sabine, mpianatra informatique teo aloha.
Ny alatsinainy 18 septambra moa no hanomboka ny fampianarana amin’izany. Ireo izay liana kosa dia mbola afaka manantona ao amin’ny varavarana faha-12 ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, hatramin’ny 17 Septambra, manatanteraka ny fisoratana anarana. 300ariary isaky ny mianatra moa no fandraisana anjara amin’izany.
Manitra R.
