Ambohimangakely : Natomboka ny fanamboarana ireo lakan-drano ao amin’ny fokontany Antanambao
Niroso tamin’ny fanamboarana ireo lakan-drano ao amin’ny fokontany Antanambao sy ny CSB II ny kaominina Ambohimangakely, nanomboka ny talata teo. Anisan’ny lalana nampitaraina ny mponina efa fotoana maro ity nitondrana fanamboarana ity, raha ny voalaza.
“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ho fampandrosoana ny tanàna, indrindra ny eny anivon’ny fokontany ny fanamboaran-dalana. Efa ela no nandrenesana ny fitarainan’ny mponina ary ao anatin’ny fandaminana amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana ny tomponandraikitra ka izao eto amin’ny fokontany Antanambao izao no hitondrana fanamboarana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Asa tahaka izao no handrasan’ny mponina amin’ny tomponandraikitra. Tsy tokony hiandry ny fitarainana na ny antso avo vao mitondra fanamboarana satria hiankinanan’ny fiainan’ny mponina andavan’andro ity lalana ity. Hirariana mba ho vita hatramin’ny farany izany ka tsy hampijaly ny mponina intsony, indrindra rehefa fotoanan’ny fahavaratra” hoy i Eric, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny mbola fanirian’ny mponina, aorian’ny fanamboarana ireo lakan-drano ao an-toerana ity moa ny hanamboarana ny lalana ho rari-vato. Anisan’ny manatsara ny tanàna sy ny fifamezivezena ihany koa izany, araka ny nambaran’ireto farany.
Manitra R.
