Ambohimalaza: Jiolahy mpamaky trano tratra teo am-panaovana asa ratsy
Jiolahy iray mpamaky trano no tratran’ny zandary avy amin’ny brigadin’Ambohimalaza ny Alarobia teo. Jiolahy mampitaraina ny mponina eny amin’ny faritra Masimbahiny, Ambohitrandriana sy Andranosoa, izay samy ao amin’ny kaominina Ambohimalaza avokoa izao, araka ny voalaza.
« Mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny no noraisim-potsiny ity lehilahy ity rehefa nanao ny ezaka sy naneho fiaraha-mientana ny mponina sy ny mpitandro filaminana. Mbola tratra teny aminy ihany koa moa ireo entana nangalariny niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany mamaky trano » hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana.
« Hisaorana hatrany ny zandary amin’ny ezaka ataony amin’ny famongorana ny olon-dratsy tahaka izao. Tena anisan’ny mampahory sy mpambotry ny vahoaka ny olona tahaka izao ka mila omena ny sazy sahaza azy » hoy i Johary, mponina ao Ambohimalaza.
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato. Saika hisehoan’izany avokoa na an-drenivohitra na ambanivohitra. Ilaina dia ilaina ny fiaraha-mientan’ny fiaraha-monina ao anatin’izany, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana hanenjehana ireo olon-dratsy.
Manitra R.
