Fanadiovana : Mitohy hatrany ny fandalinana ireo tatatra ao Alasora
Mitohy hatrany ny asa fandalinana ny tatatra eny amin’ny faritra iva ato anatin’ny kaominina Alasora mba hiatrehana ny fahavaratra. Ny tatatra tao Ankadindratombo izao no nanohizana azy tamin’ny fampiasana fitaovana mifandraika amin’izany.
« Tsy heo rehefa tonga ny loza vao taitra. Dieny izao dia mila miomana ny loza ho avy mba hanamaivana ny fiatrehana izany. Ho avy ny fahavaratra, hiakatra ny rano. Mifanome tsiny am-pitoerana fotsiny isika amin’izany. Maninona raha dieny izao dia miomana ? » hoy i Vololona, mpianatra mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana. « Mitohy hatrany asa ho fisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ny faritra iva eto Alasora. Ny tatatra aloha ny loaharam-pahamehana ho amin’izany hatreto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
Miala tsiny sahady amin’ny mety ho fanelingelenana ireo mpikarakara izany. Ho soa iombonana tokoa izay tsara foana ny mitsinjo lavitra.
Nicole Rafalimananjara
