Maurice : Ferana ny fivarotana menaka
Tsy eto Madagasikara ihany no mampikolay ny fivarotana PPN. Mametraka fepetra ireo firenena mpamatsy menaka ho an’i Maurice fa hiena ny famatsiana. Mba hiala amin’ny tsy fahampiana sy ny fanaovan’ny mpanjifa angona izany hoe « panic buying » dia noferana ho tavoahangy roa isan’olona na 2 litatra ny famarotana menaka ao an-toerana.Tsy mifanaraka amin’ireo mpitantana toeram-pisakafoana ao an-toerana nefa izany fepetra izany. Nanazava ny tompon’andraikitra toeram-pisakafoana iray fa mila menaka 10 litatra isan’andro eo izy ireo. « Tsy hisy ny tsy fahampiana raha manaraka ny fepetra avokoa ny tsirairay, fepetra noraisany mba tsy hampirobaroba ny mpanjifa indrindra io noraisana io » hoy i Jaganathan Rangan, tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny varotra ao Maurice.
