ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Asa famoronana ny « Ferronnerie d’Art » atao ao amin’ny BTC

Ny fanaovana sary no tena fototry ny asa fanaovana vy satria asa famoronana ny « ferronnerie d’art ». Mbola mitohy ny fandraisana ny anaran’ireo izay liana te hianatra ny taovy ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

« Ny mpanao vy no mamolavola sy manamboatra asa vita amin’ny vy, varahina, na firaka, natao ho an’ny haingon-trano anatiny. Tena ilaina tokoa io asa io ary betsaka no mila azy » hoy i Avotra, mpikirakira tao vy. Na famoronana amin’izao fotoana izao, kopia na famerenana amin’ny laoniny ny maodely taloha, ny mpanao vy dia manambatra ny fahatsapana ara-javakanto sy ny fahalalana tsara momba ny famolavolana. Ny mpanao vy dia mety ho mpiasa na mpanao asa tanana. Afaka manana ny orinasa ny manokana izy. Izay rahateo no tanjonay » hoy i Tata, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

Fotoana izao hianarana ireo fiofanana maro hita ao main’ny BTC. Fiofanana mifandraika indrindra amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire