Ambohimandroso : Tratra ireo mpisoloky mercure sy volamena
14 Martsa, 09h00. Lehilahy sy vehivavy, mpivady, no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohimandroso ny 12 Martsa teo tamin’ny 2 ora folak’andro. Nampandre ny lehiben’ny toby ny lehilahy iray mponina ao Ambohimandroso fa nisy olona nikasa hisoloky azy. Nilaza nanana volamena 430 grama, amidy 180 000 Ar ny grama sy mercure iray tavoahangy io olona io. « Any Ampitatafika ny fiaranay fa manomeza solika 60 litatra hakanay azy fa omenay anao ny entana » hoy ireo olon-dratsy ireo. Natao kosa ny vela-pandrika ka sarona izy mivady ireo sy ny entana hosoka. Tsy aokry ilay entana nolazainy. Misokatra kosa ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha.
