Dépêches

Lisi-pifidianana: Mbola malalaka ny fotoana hisoratana anarana ary mbola mandeha ny fanentanana.

Dépêche 18 avril, 14h, Maro ireo daty mila tadidiana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana amin’ity taona ity. Mbola malalaka ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany izay haharitra hatramin’ny 31 mai. Ankoatra izany dia efa miparitaka manerana ny Fokontany ny lisitra amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny 6mai ny fandraisana ny fitarainana sy ny diso. Hanomboka ny 01 jona hatramin’ny 9jona kosa ny fanontana ny lisitra farany izay efa nasiam-panitsiana avy amin’ireo fitarainana sy ireo diso ka ny 10jona araka izany no mikatona tanteraka ny rejisitra nasionaly sy ny lisi-pifidianana. Mbiola entanina hatrany ny tsirairay hanoratra ny anarany amin’izany lisi-pifidianana izany hahafahana manatanteraka ny adidy.

Laisser un commentaire