Smatchin andiany faha-12
Hotanterahina manomboka ny 14 Marsa izao hatramin’ny 22 Marsa, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basketball « XXL Smatchin Ao Tsara », andiany faha-12.
Ekipa lehilahy 52 sy ekipa vehivavy 18 no handray anjara amin’izany ary efa vita ny faran’ny herinandro ny atsapaka sy ny fizaram-bondrona.
Ankoatra ny lalao basikety, hisy ihany koa ny fifaninanana « Dunk » sy tifitra isa 3 ary tsy diso anjara ny fifaninanan-kira sy ny fifaninanana Miss & Mister.
Marihana fa tsy afaka mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny mpilalao N1A fa ny N1B kosa dia afaka milalao, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.


