ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Vita ny fanaovan-tsonia fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madarail sy ny Kaominina

Tontosa ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa Madarail sy ny kaominina Anjeva Gara. Teboka lehibe amin’izany ny fiarovana ny faritry ny lalamby no nivoitra tamin’izany.

« Ny fanajariana ny tanàna, izay voarafitra ao anatin’ny drafitra ifotony fanajariana ny tany (DIFT) no tena iarovana ny faritry ny lalamby. Tena ilaina izany amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny Madarail. « Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa sy vinam-pampandrosoana napetraky ny kaominina ity natao ity. Tetik’asa ao anatin’ny 15 taona izao. Efa nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2033 » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Ny orin’asa Madarail no hamatsy vola ity tetik’asa ity.

Vakoka sy harena ho an’ny kaominian Anjeva Gara tokoa ny fisian’ity lalamby ity. Rariny loatra raha mila fiarovana sy fanatsarana izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire