Ambohimanambola : Manampy ireo mponina tsy manana kopia ny kaominina
Misy ny hetsika fanampiana ireo ankizy na olon-dehiba tsy manana kopia ataon’ny kaominina. Ilaina eo amin’ny fiainana tokoa mantsy ny fananana izany. « Ilaina amin’ny fikarakarana taratasy rehetra ny kopia toy ny fanamboarana kara-panondro, ny fampianarana ny ankizy. Miantoka ny hoavy rehetra mihitsy izy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Tsy afaka ny hahita asa isika raha tsy manana kara-panondro, tsy hanana kara-panondro isika raha tsy manana kopia. Tsy voakasika amin’ireo zo fototra maha olom-pirenena isika raha tsy manana kopia » hoy i Hery, mpianatra lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Antoka iray ahafahan’ny ankizy iray miatrika fanadinam-panjakana ny fananana kopia. Ny tsara dia andro vitsy aorian’ny fahaterahana no anaovana izany. Misy kosa anefa ny hetsika ho an’ireo efa lehibe tsy manana kopia.
Nicole Rafalimananjara
