Fandriam-pahalemana : Mitombo hatrany ny tafika malagasy
Niseho ambany faneva ny 28 desambra lasa teo ireo zazavao kilasy 2021/2. Efa nahavita ny fiofanana fototra ara-miaramila tao amin’ny toby Mandalahy Fianarantsoa izy ireo. « Miisa 149 mirahalahy izy ireo no manao fanompoam-pirenena eo anivon’ity toby miaramila ity » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny toby.
« Reharehan’ny firenena ny fisianareo. Hnaompo ny firenena sy hiaro ny vahoaka ny antom-pisiantsika ka aoka tsy hivoana amin’iznay » hoy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, ny Jeneraly Rakotoniaina Jean Aimé. « Sehatra tokony ho tena mahaliana ny tanora ny fanatevenana ny tafika. Hiasa ho an’ny firenena sy ny vahoaka mba hisian’ny fampandrosoana izahay » hoy i Gerard, miaramila misotro ronono.
Dingana lehibe eo amin’ny fanompoana ny firenena tokoa izany. Tsara tokoa raha hetevenina hatrany ny tafika mba hisian’ny fandriam-pahalemana. Miaramila tena miasa sy vonona hiasa hanaraka ny fahamarinana hatrany no tena ilain’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
