Antsohihy : Tratra ilay mpangalatra omby
Voasambotry ny polisy ilay rangahy voatondro ho mpangalatr’omby sy mpivarotra henan’omby teny Antsohihy. Ny loharanom-baovao tany amin’ny olona tsara sitra-po no nahatratrana ity lehilahy ity. « Matahotra izahay fandrao maloto miaraka aminy rehefa tratra izy. Tsikaritra fa mitetika henan’omby ity rangahy ity isak’alina » hoy i Liva, mponina ao Ankirihiry Nord II.
« Ahitana omby tsy fantam-pihaviana ihany koa eo aminy rehefa alina. Matetika izy ireo no miresaka momba ny halatr’omby »‚ hoy ireo olona nanaitra ny tompon’andraikitra eo tany amin’ny Fokontany. « Nandositra avy hatrany ilay rangahy raha vantany nahatazana anay saingy tratra ihany ity farany. Mbola nahitana henan’omby tao an-tranony » hoy ny mpitandro filaminana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny mikasika ity raharaha ity.
Tsara tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny mponina eny ifotony tahaka izao mba hahamora ny fisamborana.
Nicole Rafalimananjara
