Etats-Unis : Zatovo roa nikorisa tamin’ny fivoahan’drano, nitsoaka afo
Trano iray tao East Village, ao Manhattan (New York) no nirehitra tao amin’ny rihana faha efatra. Zatovo roa nefa no mbola taraiky tao : tovovavy 18 taona sy zazalahy 13 taona. Nivoaka avy teo ambaravaran-kely, am-polony metatra miala ny tany izy mianadahy rehefa niredareda ny afo ary nanakatraka ny fivoahan’drano sy nikorisa tamin’izany mba nanavotana ny ainy. Avo soa aman-tsara izy roa, ary efa nanadiady ny nihavian’ny afo ireo tompon’andraikitra. Lehilahy iray 32 taona kosa no maty nandritra io loza io.
