Anjerimanontolo : Nodimandry i Ranjivason Jean Théodore
Nodimandry ny androany i Ranjivason Jean Théodore. Mpampianatra mpikaroka teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy.
Fantatra tamin’ny sehatra politika ihany koa ny tenany ary efa nitazona toerana ambony maro.
Tia fanatanjahan-tena izy, ary efa Ministra mihitsy aza tamin’io sehatra io : Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena tamin’ny fitondran’i Ratsiraka Didier, avy eo mbola Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ihany koa tamin’ny fitondran’i Ravalomanana Marc, nialohan’ny nanendrena azy ho ministry ny fampianarana ambony, avy eo ministry ny asam-bahoaka.
Tsy niditra tamin’ny sehatra politika intsony izy nanomboka tamin’ny fitondran’i Rajaonarimampianina Hery, ka niverina nampianatra teny amin’ny Oniversite. Marihana fa mpampianatra amin’ny taranja Malagasy izy, ary nanoratra boky maro izy tamin’izany, toy ny « Matsilo ». Isan’ny tena tena tiany ny « yoga » izay ahafahana manatsara ny vatana sy ny saina. Nanampy betsaka ny tanora hahita asa mifanaraka amin’ny mari-pahaizany avy i Ranjivason jean Theodore nandritra ny naha Minisitry ny tanora azy indrindra, tao anatin’ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe « Ho Fampajariana ny Fanabeazana ».
« Tena nahafinaritra, ary nanampy be ahy tamin’ny fahavitan’ny fianarako izy. Tena nanampy sy nanohana tokoa. Betsaka ny zavatra nampianariny : teo ny fahaizana amam-pahalalana, teo fahaiza-manao, teo koa ny ny fahaiza-miaina » hoy i Herimalala, mpianany.
Raim-pianakaviana ihany koa izy ankoatra ny eo amin’ny sehatry ny asa, izy no ray niteraka an’i Théo sy Volampeno, mpanorina ny tarika Itsingory. Nahavita be teto amin’ny firenena izy izao nodimandry izao na teo amin’ny politika, indrindra koa teo amin’ny fampianarana.
Nicole Rafalimananjara
