Ambohimanarina : Tokony sahy hijoro foana isika manoloana ny fihetsika tsy ara-drariny
Voasambotrin’ny mpitandro filaminana ilay mpanampy ny mpamily nanao herisetra mamoafady tamin’ireo tovovavy mpandeha tao anaty taxibe. Tovovavy iray nandeha taxibe 114 no nitaraina tamin’ny tambazotra facebook fa nanaovan’ilay resevera fihetsika mamoafady izy.
« Raha sendra nivoaka ny bus iny aho dia nopotserin’ ilay resevera ny nonony no sady mbola nimehezany ihany. Tsy izaho ihany fa ny namako ihany koa dia niteny fa nataony toy izany saingy tsy afa-niteny » hoy ilay tovovavy nitaraina. « Tsy maintsy mandary andaikitra izahay manoloana ny fihetsika tsy voahevitra tahaka izany ka tratra teny Ambohijanahary ilay lehilahy 30 taona » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.
« Tsy tokony ireo mampiseho fihetsika mamoafady ara-batana ihany fa ireo mpanampy ny mpamily manao tsinotsinona ara-teny toy ny fanompana sy ny teny tsy voahevitra aseho amin’ny mpandeha dia enjehina avokoa » hoy i Henri, mponina ao Ambohimanarina.
Araka ny fantatra dia tsy vao izao izy no nanao fihetsika mamoafady tahaka ity saingy izao vao sahy nisy nitaraina ka nahafahan’ny mpitandro filaminana nandray ny andraikiny. Tsy tokony hatahotra noho izany isika rehefa tratran’ny fihetsika tsy mety tahaka izany fa ho sahy hijoro foana manoloana ny tsy rariny satria eo lalandava ny mpitandro filaminana hiasa ho an’ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
