SocialTsidika

Bemahogo: Zaza 12 taona mamo tao am-pianarana

Zazalahy 12 taona, kilasy faha-9 no mamon’ny betsabetsa ka nirediredy tao am-pianarana tany amin’ny EPP Bemahogo Antsahavaribe. Taitra ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly noho ity tranga ity ka tsy maintsy nandray andraikitra izy ireo.

« Mamo tampina tato am-pianarana, raha mbola tsy nanomboka akory ny fampianarana ny tapak’andro hariva ary nandoa be nony navoaka ny trano fianarana ka tsy maintsy naterina tany amin’ny ray aman-dreniny » hoy ny talen-tsekoly tao an-toerana. « Mpamokatra betsabetsa eto an-tanàna mihitsy ny ray aman-drenin’io zazalahy io sady mpamatsy ny faritra maro mihitsy » hoy i Clovis, mponina ao Bemahogo.

« Mampalahelo tokoa raha vao kely dia efa izao sahady, tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny ankizy ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpiarahamonina » hoy i Hery, mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo. Ny betsabetsa dia zava-pisotro mahamamo tokoa ka tsy tokony hosotroin’ny zaza tsy ampy taona fa hanimba ny hoaviny izany.

Tsara raha mandray andraikitra amin’ny fananarana ny zaza tahaka izao ny olon-drehetra mba hanana taranaka vanona sy hendry.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire