ActualitésTatitra

Russie : Tovolahy iray 18 taona nanapoaka baomba tao an-tsekoly

Ny 13 desambra teo tao amin’ny sekoly katolika iray tao akaikin’ny toeram-pivavahana Vvedenski Vladytchny, ao amin’ny tànanan’i Serpoukhov no niseho ity tranga ity. Mpianatra iray teo aloha tao amin’ny sekoly no nitondra baomba tao an-toerana teny amin’ny tenany, ary nikasa hanapoaka izany nandritra ny lamesa, saingy nipoaka teo am-bavahady izany, hoy ny minisiteran’ny atitany ao an-drenivohitra an-toerana.Naratra mafy io tovolahy io hoy i Olga Vradiï, solontenan’ny komity mpanadihady, ary mbola ao amin’ny trano fameloman’aina. Mbola tsy fantatra kosa izay antony nahatanterahany io fihetsika io, hoy izy. Am-polony kosa no naratra tamin’io fanakorontanana io. Marihina fa nifanesisesy ny fanakorontanana an-tsekoly tao Russie nandritra ny fotoana vitsivitsy izao.

Laisser un commentaire