Fifaninanana Tsidika, Sokajy Foto-drafitr’asa, Kaominina Ambohimangakely
Toerana fidiovana sy fanadiovana toy ny toeram-panasan-damba sy toeram-patsakana rano fisotro madio ary toeram-pidiovana sy fivoahana. Napetraka tao anatin’ny Fokontany maro ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely toy i Soamanandrariny, Mahazo, Ambohimahitsy, Amoronakona, Ikianja. Raitra sy tsara raha ny endriny ary tena manala fahasahiranana ny mponina eny ifotony mihitsy.
