ActualitésTatitra

Espagne : Vehivavy iray variana nilalao ny findainy no notrongisin’ny omby

Vehivavy iray no variana nilalao ny findainy nandritran’ny fandalovan’ny omby (taureau) teo akaikiny. Tsy tsikaritr’io vehivavy io akory izany omby izany na dia efa nitabataba aza ny manodidina azy. Noho izany dia notrongisin’ilay omby ilay vehivavy ary nototoany mihitsy. Raha ny tatitra kosa dia tsy naratra firy io niharam-boina io fa ny akanjony ihany no rovitra.

Nandritran’ny fety nentim-paharazan’ny San Fermín (saint Firmin), ankalazaina isan-taona ao Pampelune no nisehoan’io tranga io. Entina hanomezana voninahitra ny vondrom-piarahamonina « forale, Firmin d’Amiens » kosa izany. Voasokajy fomba fahatelo be mpandray anjara sy mpanatrika indrindra aorian’ny karnavalin’i Rio sy ny fetin’ny labiera ao Munich izany.

Isany misarika mpizahatany betsaka ihany koa io fankalazana io. Maharitra 3 andro io fety io ary arahina hetsika maro toin’io famotsorana omby na « lâcher de taureaux » io.

Laisser un commentaire