Afrique du Sud : Mitondra ny tsimok’aretina covid-19 ny filoha
Nanambara ny tao amin’ny fitondram-panjakana ny 12 desambra teo fa mitondra ny tsimok’aretina covid-19 ny filoha Cyril Ramaphosa. Nanomboka tsy salama izy tao aorian’ny lanonana nanomezam-boninahitra ny filoha teo aloha Frederik de Klerk, izay maty ny volana ambony teo hoy izy ireo.Efa vita vaksiny ity filohan’i Afrique du Sud ity, maivana ny tsimok’aretiny hoy ny talen’ny foibe misahana ny fisorohana sy ny fanaraha-maso ny aretina ao amin’ny Union africaine, John Nkengasong. Mihiboka ao Cape Town kosa ny filoha amin’izao fotoana, ary namindra ny andraikiny rehetra tamin’ny filoha lefitra David Mabuza izy. Ireo tompon’andraikitra ara-pahasalaman’ny tafika kosa no miandraikitra azy.
