ActualitésTsidika

Iakora : Tratra ny jiolahy rain-dahiny roa

Voasambotr’ireo miaramila avy ao amin’ny Base Opérationnel Avancé (BOA) Iakora nandritra ny fisafoana tao amin’ny Fokontany Beapombo, Kaominina Begogo, distrikan’ny Iakora ny dahalo 2, raindahiny amin’ ny fanafihana mitondra fitaovam- piadiana. Hita fa mbola tena tanora matanjaka afaka miasa ara-drariny tsara ireto tratra ireto kanefa nisafidy ny hitavana ny fananan’ny hafa fotsiny.

« Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny basy iray fitondran’izy roa lahy manao ny asa ratsiny ka ny Zandarimaria no handray an-tanana ny fanadihadihana » hoy ireto miaramila. « Mampalahelo ny zava-misy. Tanora tokony hanana ny hoaviny mamiratra kanefa handany ny hatanorany any am-ponja noho ny tsy fiheverana kely fotsiny » hoy i Patrick, mponina ao Beapombo. « Tsy mifidy diplaoma ny frahombiazana fa ny finiavana sy ny herim-po no mila tena hananana, tsy mora ny mitady vola kanefa hafa ihany izany mihary am-pilaminana sy mihinam-bola tamin’ny herim-po izany » hoy i Andry, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Marina fa betsaka ny tanora eto Madagasikara kanefa vitsy ny asa misy ary mbola mitaky traikefa. Tsy vahaolana anefa ny fangalarana sy ny fanafihana, azo atao tsara ny miasa tena sy mampiasa tena ary mitrandraka ny tena sy ny manodidina ny tena amin’ny alalan’ny fandraharahana. Tsy mitaky mari-pahaizana tokoa ny fahombiazana fa nateraka ny hahomby avokoa ny olona, saingy ny fahombiazana tsy azo raha tsy ao anaty ezaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire