ActualitésTatitra

Mexique: Mpifindra monina 53 matin’ny lozam-pifamoivoizana tao an-toerana

Mpifindra monina 53 no matin’ny lozam-pifamoivoizana tsy lavitr’i Tuxtla Gutierrez ny herinandro lasa teo. Teratany Guatemala no ankahamaroan’izy ireo hoy ny CNDH ao Mexico (Commission nationale des droits de l’homme). Nifampisisika tao anaty fiaravaventy izy ireo saingy nandeha mafy ny fiara ka nifatratra tamina rindrina.Nanome toky ny hanampy sy hampody ireo velona tamin’io loza io kosa ireo filohan’i Guatemala, Alejandro Giammattei. Nandrapaha kosa dia omena « carte humanitaire » ahafahany misitraka fialofana sy sakafo ireo olona ireo hoy ny INM (Institut national de migration).

Laisser un commentaire