ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Mila omena lanja ny famokarana lohamenaka eto Madagasikara

Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa ho fametrahana ny filakevi-pirenena ho an’ny mpisehatra amin’ny famokarana lohamenaka mba hampiroboroboana io seha-pihariana iray io. Ny teo amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny Vondron’ireo Mpanondrana Lohamenaka eto Madagasikara no nanatanteraka izany. »Ny tanjona dia ny hanome lanja ny fitrandrahana ireo harena voajanaharintsika izay ananan’i Madagasikara betsaka tokoa ary hahazoana tombony amin’ny lafiny toe-karena, tontolo iainana sy eo amin’ny fiaraha-monina » hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Ilaina ny fifehezana ny lalàna amin’ny sehatra fihariana lohamenaka mba hahafahana mampiditra ireo mpamokatra sy orinasa tsy ara-dalàna ao anatin’ny ara-dalàna » hoy ny avy ao amin’ny Vondron’ireo Mpanondrana Lohamenaka eto Madagasikara izay nosoloin’i Nirina Olivier Rakotoson tena. « Tena tokony hisy ny fampiroboroboana ny vokatra natoraly sy maharitra Vita Malagasy, indrindra ho an’ny lohamenaka sy ny menaka vita avy amin’ny zava-maniry » hoy i Alfred, mpisehatra amin’ny lohamenaka.Tafifidtra tanteraka amin’ny hetsika hiarovana ny tontolo iainana hatrany izao mba hanomezana lanja ny voaary, mitohy kosa ny hetsika hafa toy ny fambolezan-kazo ary ny fanamboarana ny alambika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire