SocialTsidika

Tontolo iainana : Havokavoka maitson’Antananarivo ilay sary vorompotsy lehibe

Betsaka ny olona nanontany tena mikasika ilay sary sikotra vorona lehibe eny Ambohinjatovo. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa ho fanatsarana ny tanàna mantsy izany, saingy kosa mbola vaovao amin’ny mason’ny maro. « Tsy azoko mihitsy ny tian’ny ben’ny tanàna ahatongavana amin’ity sary vorona lehibe ity. Taitra mihitsy aza aho tamin’ny nahita azy voalohany » hoy i Cedric, mponina ao Ambohijatovo.

Tetsy an-kilany, nanome fanazavana mikasika ity asa ity ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriatsitohaina Naina. « Mijaly Antananarivo noho ny fahasimban’ny tontolo iainana ka zary tantara sisa ny tontolo maitso fahizay. Noho izany indrindra no nananganan’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ilay sary vorompotsy lehibe vita amin’ny metaly eo amin’ny zaridainan’Ambohijatovo izay vao navaozina, hanjary havokavoka maitson’Antananarivo » hoy izy tamin’izany. « Vorompotsy lehibe ampahatsiahivana ireo taranaka ny amin’ny fanamby hananana tontolo iainana maharitra. Isika rehetra hiaraka hiaro ny zava-maniry sy ny biby mba tsy ho lany tamingana » hoy ieo ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Entina hanentanana antsika hiaro ny tontolo iainana ity vorona lehibe ity satria miankina amintsika tsirairay izany. Tafita tokoa ve ny hafatra ?

Nicole rafalimananjara 

Laisser un commentaire