Géorgie : Nanafika sy nandroba ny fikambanana LGBT ireo « extrême droite » sy ny Fiangonana orthodoxe
« Tsy azonay atao ny mampidi-doza ny ain’olombelona sy maneho herisetra eny an-dalàm-be ». Io teny io no nentin’ny mpikarakara ny « la Marche des fiertés géorgienne » tao amin’ny tamba-jotra Facebook ny 5 jolay teo rehefa nanafoana ny hetsika alohan’ny nanokafana azy tamin’ny 6 ora hariva.Olona am-polony nanao fietsiketsehina tao renivohitry Tbilissi ny maraina ny 5 jolay ireo « mpanafika mahery setra » noresahin’izy ireo ireo. Araka ny mpanao gazety dia nanafika ny polisy ary nidaroka mpanao gazety teo amin’ny 20 teo ireo mpandroba ireo. Nanafika ny toeran’ny fikambanana LGBT sy ireo niaro ny fahalalahan’izy ireo ihany koa izy ireo. Nanaitra ny horonan-tsarin’izy ireo nianika ny trano misy ny Tbilisi Pride, izay foibe ny fikambanana. Nahita olona maromaro nandrovitra ny saina maro loko mariky ny LGBT sy nanitsakitsaka izany ilay horonan-tsary.
