ActualitésTatitra

Royaume Uni : Noterena nifoka sigara ireo mponina tao Londres

Nahafaty olona manodidina ny 100 000 ny valan’aretina pesta « bubonique » tao Londres ny taon-jato faha 17. Nanery ny fifohana sigara ireo manam-pahefana britannique rehefa tsy nahita vahaolana manoloana izany. Nosokajiana ho fanafody natoraly niady tamin’io aretina io mantsy izy tamin’izany.20% ny mponina no matin’io aretina tamin’io taona 1665 io. Mba niadina tamin’izany dia nahiboka ireo nitondra ny tsimok’aretina ary nomarihana tamin’ny loko fotsy na mena na soratra hoe « Lord have mercy » midika hoe mamindra fo Andriamanitra izay salama. Tsy vitan’izany ihany nefa fa mampifohana sigara avokoa ny mponina na lehibe na kely, ary ireo mpitsabo mihitsy no nilaza tamin’izany fa fanafody fisorohana io pesta io izany ary tonga hatramin’ny fanaovana herisetra tamin’ireo nandà nifoaka mihitsy aza tamin’izany fotoana.Nanomboka nifoka sigara be ny tao an-toerana nefa tsy nahaomby io noheverina ho fanafody io. Ny taona 1665 vao nirotsaka an-tsehatra manoloana io tranga io i Angleterre rehefa niakatra be ny tahan’ny fifindranan’ny aretina tao Londres.

Laisser un commentaire