SocialTatitra

Suisse : Inona no mahatonga ny saina Suisse ho efa-mira ?

Miavaka ny sainan’i Suisse, miloko mena misy « croix » fotsy izy ary efa-mira. i Suisse sy Vatican irery ihany no manana saina efa-mira, efa-joro avokoa ny sainam-pirenena rehetra hafa raha ny fepetra napetraky ny ONU.Noho izy sain’ady no nahazony io alalana io. Nanjaitra « croix » fotsy teo amin’ny akanjony ireo miaralina suissse nandritra ny adin’i Laupen tamin’ny taona 1339 mba niavahany tamin’ireo miaramila hafa. Lasa marik’i Suisse ny « croix » nanomboka teo ary voatondro mariky ny fanjakana federalin’i suisse izy ny taona 1814.Nandeha hoazy ny naha efa-mira ny saina Suisse ny taona 1840, izay taona voalohany nisiany. Tsy nandrara ny fampiasana io sain efa-joro kosa ny lalàna, ny endriky ny « croix » eo amin’ny saina ihany no nitondram-panovana.

Laisser un commentaire