ActualitésTatitra

Europe : Hiova endrika ny vola taratasy euros

Efa tamin’ny 20 taona lasa no tsy niova endrika ny vola tao Europe. Nanambara kosa ny « Banque Centrale Européenne » (BCE) ny alatsinainy teo fa manam-pikasana ny hanavao ny endrik’izany izy ireo. »Natao haharitra ny vola euros ary mariky ny firaisan-kinan’ny mponina ato Europe izy, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra, ka mila havaozina izy mba ho akaiky kokoa ny sokajin-taona sy ny saranga rehetra » hoy ny filohan’ny BCE, Christine Lagarde. Mbola hiatrika filan-kevitry ny mpitantana ny BCE kosa ny endrik’io vola io alohan’ny hifidianan’ny daholobe azy, ary vinavina hiasa manomboka ny taona 2024 izao.

Laisser un commentaire