SocialTsidika

Alasora : Namboarina ny lalan’ny mpandeha tongotra

Nanampy ny kaominina Alasora ny Kaoperativa Mirindra tamin’ny fanamboarana ny lalan’ny mpandeha tongotra teny amin’ny tetezana Ambohimanandraisoa. Nasiana rindrina ihany koa hanamafisana ny tatatra sy ho aro ho an’ny mpandeha tsy ho latsaka any an-tatatra.

« Irariana mba hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amintsika roa tonta ka hitohy ihany koa ny fampandrosoana ny tanàna, ary tsy hitsanga-menatra amin’ny fampandrosoana i Alasora » hoy ny ben’ny tanàna, Randriantsoa Jimmy. « Tombontsoa iombonana ny toy izao ka tsy tokony hahakivy mihitsy. Tokana ny tanjona dia i Alasora mandroso sy manana vahoaka tia fandrosoana » hoy ny mpitondra tenin’ny Kaoperativa Mirindra. « Tena mahafinaritra tokoa satria matetika mifamaly amin’ny mpitondra fiara foana ny mpandeha tongotra amin’ity lalana ity noho izy tery, ka tena mety mihitsy ny izao mba ahafahn’ny mpandeha tongotra mandeha am-pilaminana » hoy i Raymond, mponina any Alasora.

Mitohy hatrany ny ezaka sy ny asa ho entina hampandrosoana ny tanàna, ary rehefa samy mandroso ny isan-tanàna dia mandroso hoazy ny firenena. Ny mpitondra eny ifotony no tena mahay ny an-tsipirihany amin’ny laharam-pahamehana ka tsara raha misy fifandraisana tsara eo amin’izy ireo sy ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire