SocialTsidika

Ambatolampy : Ny namany ihany no namadika ka nahavita namono azy

Tsy lavitra tokoa ny mpamitaka indraindray, fa ny namana ihany no mahavita maka ny kely eo am-pelatanantsika. Kodiaran-droa iray no namonoan’ilay lehilahy antsoina hoe Barthelemie ny namany.

Notaomin’ity farany hamonjy fety ilay tovalahy, ka rehefa nijanona izy ireo no novelesin’i Barthelemie tamin’ny tavoahangy ny lohan’ity namany ary notsindrominy tamin’ny antsy ny tratrany ka nentiny nitsoaka ny moto. « Marika Yamaha Cygnus ity moto namonoany ny namany ity, fa soa fa avotra ny ainy noho ny antso nataon’olona tsara sitra-po » hoy ny avy ao amin’ny Kaomadin’ny vondrom-paritry ny Zandarimaria Ambatolampy.

« Novelarina ny sakana teo Tsinjony ary dia voasambotra i Barthélémie satria nikasa hitsoaka any Antananarivo izy niaraka amin’ilay kodiaran-droa sy finday ary vola sy taratasin’ny moto » hoy ny Chef Rakotoarimanana Jaona Marika, izay nanome baiko ireto zandary ireto.

« Ny olona tsy misy te hahalala izany firaisan-kina iznay amin’izao fa samy mikatsaka izay tombontsoan’ny tenany manokana avokoa » hoy i Laura, mponina ao Ambatolampy. Efa tena miha mahantra tokoa ny firenena ka very ny soatoavina maha Malagasy. Samy manao izay hihinanany ny olona tsirairay fa tsy misy mifampitsinjo izany, ary tsy matahotra fonja intsony mihitsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire