Nizara fanampiana ho an’ireo kamboty ny Ministeran’ny Fitsarana
06 Desambra, 09h00. Nizara fanampiana tamin’ireo kamboty sy mponina eny Andralanitra ny Ministeran’ny fitsarana omaly alahady 5 desambra. Tanora maro no niaraka tamin’ny Ministra Imbiki Herilaza nanatanteraka ny fizarana teny Andralanitra sy Analakely, Behoririka, Tsaralalàna ary 67 Ha.
