ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka ny Polisim-pirenena

ontosa soa aman-tsara ny hetsika nokarakarain’ireo avy ao amin’ny Polisim-pirenena teny Analakely, izay nampalalana indrindra ny asan’izy ireo. Marihina fa ny Polisim-pirenena no miantoka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eo amin’ny tanan-dehibe.

« Efa samy manana ny andraikiny avy na ny Polisy na ny Zandary na ny Miaramila, ka izahay Polisy dia amin’ny tanàn-dehibe no tena miasa toy ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny fanenjehana ny mpanafika fa tsy anjaranay kosa ny manenjika dahalo any ambanivohitra any fa efa misy mitana izany andraikitra izany » hoy ny Polisy iray nanazava ny asan’ny Polisim-pirenena.

« Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao mba ialàna ny fitsaratsarana fahatany ireny mpitandro filaminana ireny, sady tena manome valiny nahafa-po avokoa ireo Polisy rehefa nanontaniana » hoy i Njara, tanora isan’ireo nitsika ny trano eva teny Analakaley. « Vonona, ary hiezaka hanakaiky ny vahoaka hatrany, mba hahafahana mampirindra ny fametrahana sy ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ary koa ny fametrahana ny fahatokisana ny vahoaka ny Polisim-pirenena » hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police Randrianarisoa Fanomezantsoa.

Tsara tokoa ny hahalalan’ny olom-pirenena tsirairay ny manodidina izany Polisim-pirenena izany mba hisian’ny filaminana sy hahalalany ny zony tokony hositrahany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire