ActualitésTsidika

Fanabeazana : Nahazo efitrano roa ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy

Notokanana ny alakamisy teo ireo efitrano miisa roa ho an’ny mpampianatra sy ireo mpandraharahara eto amin’ny « Lycée Moderne d’Ankadikely-Ilafy ».

« Hery lehibe ho an’ny fanabeazana tokoa ny foto-drafitr’asa tahaka izao, izay antoka iray entina hampandrosoana ny tanànantsika » hoy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Misaotra antsika rehetra nifanohana nahavitan’izao trano izao, indrindra ny kaominina izay tarihin’ny ben’ny tanàna, sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra izay nanao ezaka ara-bola nahavitana azy » hoy ny mpitantana ny sekoly. « Manohana sy mikatsaka mandrakariva ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana, ary manao izany ho vaindohan-draharaha eto amin’ny kaominina » hoy ny solontenan’ny Kaominina.

Lalana iray mitondra any amin’ny fampandrosoana tokoa ny fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay. Sambatra ny faritra iray manana mponina feno fahendrena sy manam-pahaizana, entina hanandratana avo ny tanànany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire