Antananarivo – Ho tolorana lelavola Folo tapitrisa ariary izay sekoly mitàna laharana voalohany amin’ny fahadiovana
Fanambarana nataon’ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, raha nitsidika ireo mpianatra tao amin’ny EPP, CEG ary Lycée Nanisana ny maraina teo. Afaka mandray anjara amin’io fifaninana ho tanterahana ato anatin’ny telo volana fahatelo amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity ireo sekolim-panjakana rehetra eto an-drenivohitra.
