Dépêches

Fisolokiana sy fisandohana andraikitra : Nentina tao amin’ny section de recherche tao Fiadanana i Vaonalarohy Randrianarisoa, 

17 Aprily, 09h00. Nosamborina ny maraina teo ary nentina tao amin’ny « section de recherche » Fiadanana ny Minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny asa tanana, sady Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Brickaville teo aloha, Vaonalarohy Randrianarisoa. Hiakatra Fampanoavana izao maraina izao ny tenany noho ny fisolokiana nataony tamin’ny olona maro. Resaka taratasim-bola tsy misy antoka no anisany maha voarohirohy azy, eo ihany koa ny fisolokiana fiara ary tsy fandoavana hofantrano.

Laisser un commentaire