ActualitésLalana sy FifamoivoizanaTsidika

Mila mitandrina rehefa mandeha bisikileta

Tafiditra aoa anatin’ny fitaovam-pifamoivoizana be mpampiasa ny bisikileta. Raha eto Madagasikara, maro no efa mampiasa azy itony ho fitaovam-pitaterana mihitsy. Efa misy aza moa ankehitriny taxi bisikileta eto an-drenivohitra. Any ambanivohitra, fitaovana voalohany mahomby amin’ny fifamezivezena ny bisikileta. Mila mitandrina amin’ny fampiasana azy tony anefa.

Ny bisikleta dia mampidi-doza. Tsy “sécurisé” ny fandehanana aminy satria nahoana? Antony voalohany, tsy mbola misy ny lalàna manokana momba ny fampiasana ny bisikileta eto amintsika ary tsy misy ny fampiharana fa tokony hanao aro-loha ihany koa ny mpandeha bisikleta. Antony faharoa, tsy tahaka ireo tongotro hafa (moto) sy ny fiara izy ka mampiasa “rétroviseur”, hany ka voatery mierikerika ireo mpitondra azy rehefa eny an-dalana. Ary fahatelo, maro ireo bisikleta tsy manaraka ny fenitra (hors norme) miasa eto amintsika, izany hoe tsy misy jiro, tsy manana taratasy fahazoan-dalana sy ny sisa. Ankaoatra izay, tsy mitaky fahaizana manokana na fianarana code de la route ny fampiasana azy ka maro ireo loza miseho tampoka eny an’arabe eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire