ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Roa lahy nikasa hangalatr’omby, trataran’ny zandary

Roalahy nikasa hangalatra omby antsokosoko, tao amin’ny toka-trano iray, tao Ambodisiarivo, kaominina Ambohimanga rova, no tratran’ny zandary, ny alin’ny 15 septambra, hifoha 16 septambara teo. Ren’ny tompon-trano nisy namoha ny valan’omby, ka teo no nandraisana fepetra avy hatrany ka nisy ny fiaraha-mientana niaraka tamin’ny sefo fokontany tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina dia henon’ny tompon-trano nisy namoha ny valan’ombiny. Notazaniny ka olona miisa roa izay fantany tarehy no hitany teo, notsiloviny avy hatrany tamin’ny jiro ka nitsoaka moa izy ireo. Ny Sefo fokontany no nampandre ny zandary ary natao avy hatrany ny fikarohana niarahana tamin’ireo andrimasom-pokonolona” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Hisaorana ny mpitandro filaminana amin’ny famaliana ny antso sy manao ezaka amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy satria mandry tsy lavo loha ny mponina ety an-toerana. Ny mponina ihany koa dia entanina hatrany mba hiray hina sy hiara-hientana raha misy ny tranga miseho” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fokontany.

Voasambotra moa izy roalahy ireo ary niaky fa hangalatra ireo omby mihitsy no anton-diany saingy tsy tanteraka izany. Natolotra ny fampanoavana ny 19 septambra 2023 teo izy ireo ka voatazona vonjimaika eny am-ponja.

Manitra R.

Laisser un commentaire