ActualitésTsidika

Alasora: Ao anatin’ny fanamboarana ny lalana ao Miadana ny tomponandraikitra

Ny alatsinainy teo no nanomboka ny asa fanamboaran-dalana, ao amin’ny fokontany Miadana, ataon’ny kaominina Alasora. Manomboka eo amin’ny lalana Alatsinainy Miadana, ka hatrany Ambohitromby no hitondrana fanmboarana, araka ny voalaza.

“Ao anatin’ny fanamboarana ny lalana tanteraka ny kaominina amin’izao fotoana izao. hitondrana ny fialan-tsiny sahady amin’ireo mpampiasa ny lalana ny fanelingelenana haterak’izany. Haharitra hatramin’ny 06 oktobra izany fanamboarana izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka fanamborana ny lalana ety fa tena efa ela no niandry izany ny mponina. Ny hangatahana ihany mba hijerena ireo tata-drano, manary rano amin’ny arabe, satria ireny ihany koa dia anisan’ny tena manimba ny lalana. Ankoatra izany ny fanarahana ny fenitra mba hikojakojana ny foto-drafitr’asa” hoy i Onja, mpamily fiara fitatram-bahoaka.

Mbola maro ireo lalana eny ifotony, mila fanamboarana ao anatin’ny kaominina. Fa ankoatra ny lalana, mangataka ny hijerena sy hametrahana ireo jiro, manazava ny elakela-trano ihany koa ny mponina ho antoky ny fandriam-pahalemana.

Manitra R.

Laisser un commentaire