ActualitésTatitra

Maurice : Hiverina hisokatra ny LUX Belle Mare

Hiverina hisokatra ny 1 oktobra izao miaraka amin’ny endriny vaovao ny LUX Belle Mare, ao amin’ny nosy Maurice raha ny tatitry ny Groupe hôtelier LUX. Ao amin’ny morontsiraky ny nosy no misy io hotely io, voadidina zaridaina tropikaly mandrobona izy ary tsy lavitry ny tanàna Belle Mare.

Efa ho herintaona mahery no nanarenina ny toerana izay ravan’ny afo. Mpamorona avy ao amin’ny nosy ihany antsoina hoe Jean-Marc Tang no namolavola ny endrika vaovaon’ny toerana miaraka amin’ny loko « pastel », « corail », « blanc sable » ary maintso izay aingam-panahy nositonina tamin’ny tontolo manodidina ny toerana ihany.

Misy « suite » 174 sy « villa » 12 kosa ny toerana, ary hatramin’ny 31 aogositra izao dia mihena 20% ny saran’ny famandrihana toerana ho an’izany hijanona 5 alina ao amin’ny hotely anelanelan’ny 1 oktobra sy 30 novambra. Mihena 20% ihany koa izany ho an’ireo nanjifa ny Air Mauritius.

Laisser un commentaire