Ambohimalaza: Telolahy mpanao kolikoly sy mpangalatra trondro anaty dobo saron’ny zandary
Telolahy no voatazona am-ponja noho ny fihetsika sy fandikan-dalàna nataon’izy ny alatsinainy 17 jolay teo. Ny roa lahy amin’izy ireo no voalaza nitondra entana nampiahiahy (trondro) ary tratra nandritra ny fisavana nataon’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimalaza; ny iray kosa nikasa ny hanao kolikoly tamin’ny famoahana ireo namany, raha ny voalaza hatrany.
“Olona tsara sitrapo no niantso sy nampahafantatra ny zandary ny mahakasika ny fitondran’ireo roa lahy entana mampiahiahy mandala eny amin’ny lalam-pirenena faharoa, niainga avy any Andranosoa, kaominina Ambohimalaza. Rehefa voasakana sy voasava izy ireo dia hita tao amin’ny ny trondro (tilapia sy karpa) milanja 40kilao eo ho eo” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Zava-dehibe ary ezaka lehibe no nasehon’ny zandary amin’ny fandavana ny kolikoly ataon’ireo olona sasany izany. Io toe-tsaina tia kolikoly io no mbola mampahantra sy tsy mampandroso antsika ka ny fanoherana izany dia miainga avy any ambony ary mendrika atao fitaratra ny zandary amin’ny fiezahana hanohitra izany hatrany” hoy i Zoé, mponina ao Ambohimalaza.
Marihina moa, fa tonga nanantona ny biraon’ny zandary ary nanome vola 105.000ariary izy mba ho takalon’ny famotsorana ireo roa lahy tetsy ambony. Samy voatazona niaraka tamin’ny vola araka izany izy telo mirahalahy.
Manitra R.
