ActualitésTatitra

Maurice : Efa azo ampiasaina ilay tetezana mampitohy an’i Le Caudan sy Salines

Efa ampiasaina ny Caudan Bridges, tetezana afaka mihodina mampifandray an’i Caudan amin’i Port-Louis ka hanamorana ny fifamezivezena eo amin’i Caudan sy Salines izay toerana misy ny « aquarium Odysseo » sy ny seranan- tsambo « croisière ». Raha ny fanazavana kosa dia misokatra ny alatsinainy hatramin’ny alahady manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva io tetezana io.

Mirefy 34 m lavan’ny tetezana ary 2,3 m ny sakany. Tanjona amin’ny fanamboarana azy ny fanamorana ny dian’ny mpizahatany sy ny mponina mitsidika ny faritra. Raha tsiahivina kosa dia nafaran’ny Caudan Development Ltd avy ao Afrique du Sud efa tamin’ny taona 2021 io tetezana io ary Rs 13 tapitrisa no vola nampiasain’ny orinasa tamin’izany.

Laisser un commentaire