ActualitésTatitra

Maurice : Fangatahana asa 3 000 isa no voahangona nandritra ny Financial Services Career Fair

Mpitady asa maro no tonga nametraka fangatahana asa nandritra ny Financial Services Career Fair andiany faharoa notontosaina ny faraparan’ny volana jona teo. Marihana fa mbola ao anaty fanatevenan-daharana ny mpiasa misehatra eo amin’ny fitantanam-bola izy ireo.

Raha ny fanazavana dia nisy toerana mahery ny 1 000 nila mpiasa teo no eo nandritra izany ka « entretien » mahery ny 1 000 ihany koa no efa notontosaina nandritra ny hetsika. Ankoatra izany dia fangatahan’asa 3 000 isa ihany koa no voahangona hoy ny minisitry ny sampan-draharaha ara-bola, Mahen Seeruttun nandritra ny « remise des prix » ho an’ny Hackathon 2023 tao amin’ny FSC Auditorium tao Ebène ny herinandro lasa teo.

Laisser un commentaire